Hita omaly, tao anaty rano anaty lava-bato Anjamba, ao amin’ny fokontany Ankidranoke, kaominina Befandefa, distrika Morombe, ny teratany frantsay iray 72 taona, afakomaly. Niditra irery tao amin’io toerana io izy, ny 18 septambra lasa teo. Nitondra fitaovana manokana fampiasa rehefa miditra anaty rano. Tsy niverina niakatra an-tanety intsony anefa taorian’io fotoana nahitana azy farany io. Nanao fikarohana ny olona akaiky azy. Nanao hetsika manokana hahitana azy ny tomponandraikitra sy ny fianakaviany, saingy tsy nahitam-bokany izany. Niroso tamin’ny fikarohana azy tao anatin’ilay lava-bato ny mpisitrika iray matihanina avy any Etazonia. Hita ny nofo mangatsiakany 20 m ambanin’ny rano izay efa mananika ny 500 m miala ny fidirana ny lava-bato. Nakarina an-tanety avokoa ireo fitaovana nampiasan’ity lehilahy hita faty ity. Efa simba ny vatany noho izy efa ho folo andro tsy hita.
Tsiferana R.





