Hetsika ara-kolontsania iraisam-pirenena anisan’ny lehibe indrindra ny « Forum international des cultures-unies ». Manana solontena manatrika izany i Madagasikara.
Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy lasa teo ny andiany faha-12 amin’ny «Forum international des cultures-unies» fanao any Saint-Pétersburg, Russie, ka mitohy hatramin’ny anio. Hetsika marolafy manodidina ny kolontsaina maneran-tany no mitranga amin’ity fikaonandoha ity. Firenena maherin’ny 50 no mandray anjara, ka anisan’ny manana solontena i Madagasikara, tarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandridrarivony O’ Gascar sy ny tale jeneralin’ny kolontsaina Rakotovao Théo.
Nisy ny velakevitra niompana tamina lohahevitra maro. Samy nanana ny azy ny delegasionina. Ho an’i Madagasikara, nisafidy ny “fiandrianana ara-kolontsaina sy ny sivilizasiona tandrefana sy tatsinanana” ny delegasionina. Toy ireo Firenena maro manerana izao tontolo izao, tsy afa-bela i Madagasikara manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia. Fotoana izao nahafahana nifampizara traikefa teo amin’ireo mpandray anjara mba hanamafisana izay fiandrianana ara-kolontsaina izay.
Niatrika ny fanolorana ny tetikasa iraisam-pirenena manokana karakarain’ny «Eurasian Film Academy » sy ny «Diamond Butterfly» Film Awards ny delegasionina malagasy. Fotoana iray ho an’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-javakanto eo amin’ireo firenena 50 mahery io nahafahan’ny Malagasy nampahafantatra ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka antsika io. Nambaran’ny minisitra fa misokatra ny lalana ho amin’ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, eo amin’ny lafiny kolontsaina, zavakanto ary sarmihetsika.
Omaly kosa, nisy ny fihaonan’ny minisitra Mandrindrarivony O’gascar tamin’ny masoivoho malagasy miasa any Russie, Andriamanjato Ny Hasina. Niompana bebe kokoa eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Eo koa ny fanomanana ny faha-55 taonan’izay fiaraha-miasa izay.
Zo ny Aina





