Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 26 septambra 2026 lasa teo, ny klioba amin’ny taranja lomano Onde sportive d’Ankadindramamy (OSA Natation). Raha ny fanazavan’ny mpitantana, Rakotozanany Vahatra Ny Aina Miarimbola, natao ho an’ny daholobe ny klioba. Misy fampianarana ho an’ireo vao hianatra hilomano ary eo koa ny fanatsarana ny fomba filomanosana ho an’ireo maniry hiatrika fifaninanana. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 3 oktobra 2026 ho avy izao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampianarana, izay hanasana ireo rehetra liana. “Tanjonay voalohany ny hampiroborobo ny taranja ety amin’ny faritra manodidina, satria maro ireo maniry hianatra lomano na hitaiza vatana fotsiny aza kanefa somary lavitra an’ireo fotodrafitrasa lehibe. Irinay ihany koa ny hitondra onjam-panajantahantena amin’ity faritra ity, izany hoe, ireo soatoavina entin’ny fanatanjahantena ho an’ny tanora, araka ny anaranay”, hoy Rakotozanany Vahatra Ny Aina Miarimbola, filohan’ny OSA Natation.
Fitia Randria





