INDRAY MIJERY

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy «sénior », vehivavy ho an’ny faritra faha-7. Firenena dimy no hiady izay ho lohany amin’izany. I Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Comores. Haharitra hatramin’ny alahady 4 oktobra izany fihaonana izany.

Nitohy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny andro fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena taranja basikety, sokajy N1A lahy sy vavy. Ho an’ny vehivavy, resin’ny MB2 All tamin’ny isa 89 no ho 37 ny Ascut ary ny JEA Vakinan­karatra nanilika ny Dunamis, 50 no ho 48. Teo amin’ny lehilahy, nomontsanin’ny GNBC tamin’ny isa mazava, 70 no ho 51 ny ASSM.

Nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana tany La Réunion, omaly, ny Malagasy mpilalao, izay nahitana an-dry Sedera, Bapasy, Berajo, Baggio, Zotsara, Mamy Gervais sy ireo Malagasy izay milaravinahitra atsy amin’ity Nosy rahavavy ity. Nifanandrina tamin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion izy ireo. Raha ny fantatra, natao hanomanana sahady ny lalaon’ny Nosy 2027 izany.

Partager sur: