Namoy ny ainy, voatifitry ny mpitandro filaminana avy amin’ny Tafika Malagasy, omaly maraina, ny lehilahy iray tokony ho 35 taona. Voasambotry ny mpitandro filaminana izay niandraikitra ny filaminana sy fandriampahalemana any an-toerana izy, ny alatsinainy, andro iray talohan’ny nahafaty azy, tany Ankilimanarivo, fokontany Ambalamanga, kaominina ambanivohitra Beravina, distrikan’i Morafenobe. Nahitana bala 7, 5 mm miisa roa natao anatin’ny basy kalibra 12 sy basimborona iray teny aminy, nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana. Avy eny Ankilimanarivo, nokasaina hoentina any Beravina izy, omaly, no niezaka nandositra teny an-dalana. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ny Tafika. Vokany, maty noho ny tifitra nahazo azy ilay lehilahy taorian’izay. Taorian’ny tranga, nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny zandary miisa 02 avy amin’ny tobim-paritra Beravina, niaraka tamin’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSBII Beravina sy ny lefitry ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Naterina eny amin’ny tranom-paty ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny manam-pahefana.
Mino





