Amoronankona : Mpitondra moto namoy ny ainy

Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano taorian’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Amoronankona, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nitondra moto marika Kymco ity lehilahy ity. Voadonan’ny fiara ka niafara tamin’ny loza tampoka. Nian­jera tamin’ny arabe ka lavo tamin’ny tany ity lehilahy mi­tondra moto ity. Notetezin’ny kodiaran’ilay fiara avy eo ka simba vokatr’io ny lohan’ilay raim-pianakaviana. Nandriaka ny ra, maty teo no ho eo izy. Araka ny loharanom-baovao, ahina ho nikasa handositra ity fiara nandona ilay mpitondra moto ity kanjo niafara tamin’ny famonoana olona. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nota­nana atao andrimaso ny mpamily fiara. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Filohan’ ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara teo aloha (SIM) ity namoy ny ainy ity, araka ny angom-baovao. Anisan’ny mpanorina an’io fikambanana io ny tenany tamin’izany fotoana. Hanar­aka akaiky momba ity tranga ity ny fianakaviana noho ny loza izay ahina ho nisy tandrevaka avy amin’ny mpamily ny fiara. Andrasana ny to­hin’ity raharaha ity.

Tsiferana R.

Partager sur: