Bemasoandro Itaosy: Ankizilahy tratra nanolan-jaza

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny ankizilahy 16 taona nanolan-jaza 11 taona teny amin’ny fokontany Ambo­hi­dahy, kaominina Bemaso­andro Itaosy, omaly. Mpaka vilona teny an-toerana ity ankizilahy tratra nanao fihetsika mamoafady ity. Notilitiliany ilay zazavavy vao 11 taona monja izay mponina ao anatin’ny kaominina voakasika. Nampiresahiny sy norebirebeny ka nentiny tamin’ny toerana izay heveriny ho afaka hanaovana ny filan-dratsiny. Nolalaoviny, araka izany, ilay zazavavy. Nisy nahita anefa ny fihetsika mamoafady na­taon’ity ankizilahy ity. No­tango­ronan’ny fokonolona manodidina sy ny fianakaviana akaiky an’ilay zaza izy. Nisy tamin’ireo olon-tsotra nentin-katezerana ka nidaroka avy hatrany taorian’ny fihetsika mamohetr’io mpaka vilona io. Naratra vokatry ny daroka teo amin’ny tarehiny ity farany. Efa nokasain’ny fokonolona hatao fitsaram-bahoaka ilay nahavanon-doza, saingy nisy tamin’ireo nanatri-maso niezaka nandamina ny raharaha sy nampihatra ny fanarahan-dalàna. Nentina nihazo ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria izy. Natolotra ny fianakaviany kosa ilay zazavavy izay niharan’ny herisetra. Tsiahivina fa sazin’ny lalàna ny fanaovana herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona ary mety hiafara amin’ny fampidirana an-tranomaizina izany.

Tsiferana R.

Partager sur: