Fatin’olona efa simba tanteraka sy tsy nisy nahafantarana azy intsony hitan’ny fokonolona tao anaty rano teny Androndrakely, omaly. Tsy fantatra mazava ny zava-nitranga, antony nitarika ny fahafatesan’io olona io. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana.
Nahitana dian’antsy ny fatin’ny tovolahy iray tao Antanifotsy, kaominina Sambava, omaly maraina. Niasa tao an-toerana io lehilahy io, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny tomponandraikitra.
Levon’ny afo ny fiangonana Loterana iray tao Marokibo, distrikan’i Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana, afakomaly. Ninian’ny olona tsy fantatra nodorana io toeram-pivavahana io, araka ny loharanom-baovao. Karohina, araka izany, ny nahavanon-doza.
Nosamborin’ny polisy ireo olona miisa roa namono olona tao Fiadanana, kaominina Andranomanelatra, ny 24 septambra lasa teo. Niara-niray tsikombakomba tamin’ny fanantontosana io vono olona io ilay lehilahy sy ny vadiny. Samy naiditra am-ponja izy ireo.





