Vondrona Merci Capsat : Fotoana manan-tantara ny 11 oktobra 2025

Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andre­fan’Ambohijanahary,ny fijoroan’ny vondrona Merci Capsat. Fotoana manan-danja sy manan-tantara ny 11 oktobra 2025, daty nidiran’ny miaramila avy ao amin’ny Capsat tamin’ny hetsi-bahoaka nanomboka ny septambra 2025, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Ho fanamarihana io tsingerintaona voalohany io, hisy ny lanonana kasaina hatao eto Antananarivo sy any amin’ny faritra samihafa. Tanjona ny hanomezam-boninahitra ireo olona naratra sy ireo namoy ny ainy, na sivily izany na miaramila, nandritra ny tolom-bahoaka, raha ny fanambarana nataon’izy ireo ihany. Ankoatra izany, hisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy hetsika isan-karazany hokarakaraina manerana an’i Madagasikara mba hanohizana ireo dingana mbola tsy vita. « Mijanona ho fotoan-dehibe nanova ny tantara ny 11 oktobra, ary tsy maintsy mitohy ny tolona », hoy Rahajasoa Jean Richard, mpitondra tenin’ny vondrona. Takin’izy ireo koa ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, handinihina ny fomba hidirana amin’ny Repoblika fahadimy.

Mino

Partager sur: