“Anisan’ny filoha mpikamban’ny SADC nanohana ny dingana fanavaozana an’i Madagasikara hatrany am-boalohany ny filoha botswanais.” Io ny namintinan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny fihaonany tamin’ny filohan’i Botsawana, i Duma Gideon Boko, tany Gaborone, ny faran’ny herinandro teo. Misy fifanekem-piaraha-miasa havoaka ao anatin’ny 30 andro, satria te hanampy an’i Madagasikara ry zareo. Manana fironana hatrany ny Malagasy hatramin’izay hoe: rehefa Afrika dia tsy mandroso. Tsia. Tsy i Botswana irery, fa izay handehanana: tena hita hoe miainga ny fandrosoan’i Afrika.
“Hoezahintsika hatao ny fiaraha-miasa. Na ny fambolena, na ny fanamboarana fotodrafitrasa na ny fifehezana harena an-kibon’ny tany mba hisy tombontsoa ho an’ny vahoaka… “, hoy kosa izy tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly ihany. Taorian’izay, niatrika avy hatrany ny hetsiky ny tanora teny Ambohijatovo izy. Ny tanora no mampiseho ny fahitana ny tanàna ho an’ny olom-pirenena. Tena ilaina ny fifampiresahana rehefa misy zavatra tsy mety, ary manalavitra ny kolikoly. Ny fitiavan-tanindrazana no tena ilainy amin’ny tanora. Izay no hametrahana ny rafitra vaovao ho an’ny tanora hiadiana amin’ny kolikoly, hampandraisana andraikitra azy ireo. Ny Filankevitra fakan-kevitra amin’ny fanavaozana no hamaritra sy hametraka ny fanavaozana: inona marina ny fanavaozana tena izy?
Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo diaspora tany Gaborona, Botswana, nilazany fa efa vita ny fakan-kevitra politika izay izy no nanao azy. Mety any amin’ny 20 oktobra no hanomboka ny fikaonandoha any ifotony. Havadika ho lalàna ny tolotra tamin’ny fakan-kevitra politika hoenti-miatrika ny fifidianana. Zava-dehibe izay raha tafavoaka alohan’ny faran’ny taona.
R. Nd.





