Lehilahy iray antsoina hoe Faustin (44 taona), hita faty nihantona teo amin’ny hazo, tany amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaomina Maevatanàna, ny sabotsy tamin’ny 11 ora atoandro. Teo akaikin’ny Ikopabe, somary anaty hazo maromaro ny toerana nisy azy. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra vantan-dehilahy iray efa tsy nisy aina intsony ka nampandre ny tomponandraikitra. Taorian’ny antso, nidina ifotony avy hatrany ny zandary sy ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Efa simba sy namoaka fofona ny razana, tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Nahitana ratra ny tarehiny sy ny lohany. Tombanana ho efa tsy latsaky ny telo andro teo ho eo ny fotoana nahafaty ity lehilahy ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nanao ny fizahana ny razana teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Hita teny amin’ny manodidina ny ny sakaosy iray, izay nisy lamba sy karapanondron’ny maty. Araka ny fanamarinana tao anatin’ny karapanondrony, nipetraka tany amin’ny faritra Ankazobe, ny tenany, fony fahavelony. Heverina ho nisy namono ity lehilahy ity ary nahantona tamin’ny tady avy eo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Taorian’ny fanadihadiana sy ny fizahana, nanapa-kevitra ny handevina ny razana avy hatrany ny tomponandraikitra sy ny fokonolona mandra-piandry ny fianakaviany. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana ahafantarana ny marina mahakasika izao zava-nitranga izao.
Mino





