Voaheloka hisazy 15 taona an-tranomaizina ireo Maorisianina telo lahy voasaringotra tamin’ny fanondranana zava-mahadomelina Cocaïne, ny 1 oktobra lasa teo. Taorian’ny raharaham-pitsarana azy ireo, mitovy avokoa ny sazy azon’ireto teratany vahiny ireto. Tambajotra matanjaka ity ravan’ny mpitandro filaminana ity noho izy ireo izay efa manana tendrom-pifandraisana manokana avy amin’ny faritra telo samihafa. Nisy ny tambajotra mampifandray an’i Toamasiana, Toalagnaro, Antananarivo ary Maorisy. Nanao famotorana lalina ny tomponandraikitra ka voarohirohy ireo Maorisiana telo lahy. Voalaza fa misy Cocaïne milanja 40 kg izay mbola hifampitadiavana tokony ho sarona niaraka tamin’io 16,45kg efa tra-tehaka io.
Tsiferana R.





