Moto nifandona: olona roa niara-namoy ny ainy, iray hafa naratra

Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy ny moto miisa roa, ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Niseho teo Antanifotsy, Soanierana-Ivongo, ny loza. Raha ny fanazavana voaray, samy nandeha mafy ireo moto ireo izay notaingenana lehilahy roa ny iray. Nifandona izy ireo rehefa tonga teo amin’ny lalana somary miholaka. Ni­anjera ny moto ary nipitika sy nitsirara tamin’ny tany ireo olona teny amboniny. Vokany, naratra ary voa mafy teo amin’ny lohany avokoa ny tra-doza. Nezahina nentin’ny fiara mpitondra marary tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ain’ny roa tamin’izy ireo, raha mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Be Toa­masina kosa ny fanintelony. Samy mpampianatra avokoa ireo namoy ny ainy ireo. Mpampianatra taranja Filôzô­fia tao amin’ny Lycée Antani­fotsy ny iray, izay nitondra ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Avy any Vavatenina fa milaravinahitra any Miandravato, lalana mandeha Mananara Avaratra kosa ny faharoa. Izay nitondra ny kodiaran-droa iray notaingenan’olon-droa.
Ankoatra izay, kamiao mpitatitr’entana iray hafa tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, ny alin’ny talata tamin’ny 10 ora. Nijanona teo Andasibe, somary lalana midina ity fiara be ity, saingy tapaka hisatra tampoka. Nitsoro­roka nidina ny fiara ka nifaoka sprinter iray nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Mbola nifaoka fiarakely iray taorian’ilay sprinter ihany. Vokany, olona telo tao anatin’ilay fiara mpitatitr’olona naratra. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly izy ireo.

Mino

Partager sur: