Namono mpamily taxi: olona enina notanan’ny polisy eny Alasora

Niaiky heloka ho nandray anjara tamin’ny famonoana ilay lehilahy mpamily taxi, hita faty teny Alasora, ny olona miisa enina notanan’ny polisim-pirenena, afakomaly. Nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’io tranga io avokoa izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy. Ni­trangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny kaominina Alasora, ny 6 desambra 2025 lasa teo. Notaperin’ireo tsy mataho-tody ny ain’ilay mpamily taxi ary norobain’izy ireo ny fiara, tamin’izany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra ka olona iray voasambotra folo andro taorian’ny nahitana ny fatin’ilay lasibatra. Niainga tamin’ity olona iray ity ny famotorana rehetra. Voatonona avokoa ireo olona namono sy nanitrika ny razana tao anaty lavapiringa. Nitohy nandritra ny volana maromaro ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Vokany, sarona tao Zafimbazaha ireo tompon’antoka ta­min’ny famonoana sy ny olona nivarotra ny fiara. Olona miisa enina niaraka tsy afa-bela tamin’ity raharaha ity. Natolotra ny fampanoavana avokoa izy ireo ary notazomina am-ponja. Raha tsiahivina, nasitrik’ireo olon-dratsy tao anaty zerikanina lehibe ary nalatsaka tao an-davapiringa io mpitondra taxi io. Nokarohin’ny fianakaviany nandritra ny andro vitsy vao hita. Marihina fa efa nisy jiolahy iray voasambotra tamin’ny volana desambra tamin’ny herintaona. Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, izy, taorian’ny fanadihadiana sy ny famotorana natao taminy. Nitohy ny fikarohana ka izao nahatrarana olon-dratsy miisa enina ireto indray.

Tsiferana R.

Partager sur: