Fahapoizinana ara-tsakafo faobe: mpiasa am-polony naiditra hopitaly

Mpiasa am-polony amina orinasa iray etsy Ivandry tratran’­ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, omaly. Naiditra ao amin’ny HJRA Ampefiloha ny 46. 39 ireo ao amin’ny CHU Andohatapenaka. Misy ireo nentina any amin’ny hopitaly tsy miankina, eny amin’ny Homi ary eny Anosiala Ambohi­dra­trimo. Misy ny fanina, marary kibo, malemy, mandoa sy mivalana, anisan’ireo fisehon’ny aretina mahazo ireo tanora
marobe ireo. Ahina ho ny fihinanana trondro sy ovy tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao amin’ny orinasa, ny alarobia teo, no nahatonga ny aretina. Nanomboka narary kibo ny ankamaroan’ireo tanora ireo, taorian’izay, raha ny loharanom-baovao. Tsy nisy taitra ireo nanomboka narary fa nihevitra izany ho aretin-kibo mandalo ihany. Nitombo ny isan’ny mpiasa narary ary nitovitovy avokoa ny soritraretina. Nanapa-kevitra nanatona toeram-pitsaboana avy hatrany. “Misy tamin’ireo voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe ireo no tsy maintsy naiditra efitrano famelomana aina noho ny hamafin’ny aretina nahazo azy”, hoy ny fianakavian’ny niharam-boina.

Mino

Partager sur: