Tsy afa-bela ireo olona enina mirahalahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny vono olona teny Anosizato Andrefana. Niakatra fampanoavana omaly, notanana any Tsiafahy avokoa ireo enin-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana an’ilay mpiangaly gadon-kira mavesatra sady mpilalao sarimihetsika malagasy. Nitrangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny fokontany Anosizato Andrefana, ny alin’ny 1 oktobra lasa teo. Noleran’ny tsy mataho-tody tamin’ny antsy teo amin’ ny tendany ny lehilahy iray. Nandriaka ny ra ary tsy tana hatramin’ny ain’io lasibatra io. Nandositra avokoa ireo nanao ny habibiana. Niroso tamin’ny fitoriana izay mety ho nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Niainga tamin’ny famotorana ireo olona voalaza ho niaraka nisotrosotro taminy tao amin’ny toeram-pisotroana ny famotorana. Tsy niandry ela, olona iray voasambotra ny 2 oktobra lasa teo. Nitoroka ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ity olona tratra ity. Miisa enina ireo voasambotra tao anatin’ny andro vitsy.
Naman-doza
Tsy olon-kafa, naman’ity mpanakanto namoy ny ainy ity ny telo tamin’ireo olona enina voasambotra. Anisan’ny voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny famonoana izy ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana. Niaraka nisotrosotro tao amin’ ilay toeram-pisotroana avokoa ireo olona voasambotra ireo ary niray latabatra tamin-dRatompokolahy, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandarimaria misahana ny famotorana. Nisy fifamaliana teo amin’izy ireo. Namonjy fodiana ity lehilahy lasibatra ity kanjo narahin’ireo nahavanon-doza tamin’ny toerana mangingina. Noleran’izy ireo antsy ary niafara tamin’ny famoizany aina.
Tsiferana R.





