Teratany vahiny iray sy ny vadiny niara-maty hita tao anaty trano fidiovana tao Amboaroy Antehiroka, ny sabotsy 10 oktobra lasa teo. Lehilahy iray karohina.
Karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy ahina ho nahavanon-doza nahavita namono mpivady teny Amboaroy Antehiroka, ny sabotsy 11 oktobra lasa teo. Niharan’ny vono mahatsiravina ny mpivady, mpandraharaha, izay 86 taona sy 65 taona tetsy Antehiroka. Noleran’ny olon-dratsy tamin’ny antsy izy mivady ireo ka nahitan’ny mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana dian’antsy miisa dimy. Lehilahy izay voalaza fa mpivarotra no nifampiresaka tamin’izy mivady farany. Nampidirin’izy ireo an-trano io lehilahy io. « Efa mpifanerasera amin’ilay vazaha sy ny vadiny io lehilahy io. Mividy ireo entana efa tonta izy ary amidiny eny Ambodin’Isotry », hoy ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty. Novonoin’ ity lehilahy ity ireo mpivady ka nasitriny tao amin’ny trano fidiovana. « Niditra ny trano hiteny ireo mpampiasa azy fa voadio ny fiara ilay mpikarakara zaridaina kanjo notifirin’ ilay lehilahy avy hatrany », hoy ny loharanom-baovao. Nanao tari-dositra ilay mpiasa ary nitsoaka koa ilay lehilahy voalaza ho nahavanon-doza.
Karapanondro sy kitapo
Tavela tao anatin’ny trano ny kitapo nisy ny karapanondro sy taratasy fahazoan-dalana hamily fiara an’ilay lehilahy namono olona. « Nandositra izy ka nitsambikina tamin’ny tamboho ary tsy hita popoka intsony taorian’izay », hoy ny zandary. Manana olana ara-tsaina ny zanak’izy mivady ka nofatoran’ilay tsy mataho-tody. « Manana irony toe-batana Autisme irony io zanak’izy mivady io », hoy ny fanampim-panazavana. Nametraka fitoriana eny anivon’ ny mpitandro filaminana izy ireo. Karohina ilay lehilahy voalaza ho mpividy sady mpivarotra entana izay tsy hita popoka.
Tsiferana R.





