Mamo nitondra fiara : Nifaoka mpandeha an-tongotra

Lehilahy iray tokony ho 23 taona, no maty voafaokan’ny fiara sprinter iray zotra 194, afakomaly alina tamin’ny 9 ora tany ho any. Niseho tetsy anelanenlan’Andranomena sy Am­bohibao Antehiroka ny loza. Nandeha tongotra ary hamonjy fodiana any Andranomena izy no tra-doza ka izao namoy ny ainy izao. Fantatra nandritra izany, fa mpanampy mpamily iray, voalaza fa mamo, no nitondra ny fiara. Avy any 67 Ha ary hihazo an’Andranomena ity fiara ity no nitranga ny loza. “Tao an-trano aho no naheno feo sy dona mafy dia mafy. Nivoaka aho hijery ny zava-nitranga”, hoy ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Hita nitsirara teo anoloan’ny trano teny an-toerana ny lehilahy iray, izay naratra mafy. Tapaka ihany koa ny tongony », hoy hatrany ny fanazavana. Nijanona tokony ho roapolo metatra miala an’ilay olona naratra ny fiara. Hita teo amin’ny lohan’ny fiara ny ratra sy ny mariky ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Noentina haingana tany amin’ ny Hopitaly Loterana ao Ambohibao izy saingy tsy tana ny ainy. Marihina fa hamonjy fodiana eny Andranomena ity niharan-doza ity tamin’io fotoana io. Nanamafy ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy fa mamo ilay mpamily nitondra ny fiara tamin’io fotoana io. Taorian’ny tranga, notanana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zandarimaria ao Ambohibao ilay mpanampy mpamily nahavanon-doza. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana.

Mino

Partager sur: