Voasambotry ny polisy, tany Toamasina, ireo jiolahy miisa roa, mpanao fanafihana mitam-piadiana, raha ny fanambarana nataon’ny jeneraly Rakotoarijaona Faly, Talem-paritry ny polisim-pirenena Atsinanana, omaly. Voarakitra tao anaty horonantsary tamin’ny “caméra de surveillance” teo amin’ny toerana nanaovany ny fanafihana izy ireo, raha ny fanazavana. Jiolahy miisa telo, tsy nisaron-tava, no nanafika renim-pianakaviana mpivarotra kiraro, teo anoloan’ny Scolopondre Ankirihiry, ny harivan’ny 25 septambra 2026 lasa teo.
Nitory ny lasibatra ary nanomboka nanao ny fikarohana ny mpitandro filaminana, nanomboka teo. Nanao ny paikady rehetra ny mpitandro filaminana, nanamora ny fanaraha-maso ireo olon-dratsy ireo ny fitafiana izay tsy niova nanaovan’izy ireo. Teo koa ny moto nentin’ireo jiolahy nanaovana ny asa ratsy, mbola hita teny foana. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireo rehefa nohadihadian’ny polisy. Nanamafy ireto farany fa mbola tompon’antoka tamin’ ny fanafihana renim-pianakaviana nihazona Cash point tany amin’ny tetezana Ankirihiry ireto jiolahy ireto.
Tokantrano efatra sy tsena iray voatafika
Mateti-piseho ny tranga tsy fandriampahalemana any Toamasina tato ho ato. Tokantrano miisa efatra, tao amin’ny fokontany Tanamakoa parisela 12/14, no nasesin’ny jiolahy notafihina, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana no nanao ny asa ratsy. Nivoaka sady nitsoka kiririoka ireo vatan-dehilahy rehetra tao an-tanàna, vantany vao nahare ny tranga. Nirifatra nandositra ireo jiolahy vao naheno izany.
Ankoatra izany, tovovavy 27 taona maty notifirin’ny jiolahy tetsy amin’ny Bazary kely Tanambao, ny zoma atoandro. Teo am-panidiana tsena izy no tonga ireo olon-dratsy miisa efatra mirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava ka nitifitra azy. Voaroba tamin’ izany ny poketra tsy nisy vola teny aminy. Nitsoaka tamin’ny moto miisa roa efa niandry teo ivelan’ny tsena ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Tsy mbola voamarina raha tompon’antoka tamin’io tranga farany io ireto jiolahy voasambotra ireto na tsia.
Sajo/ Mino





