Ankoatra izay, maty tsy tra-drano ny miaramila iray ary enina hafa naratra taorian’ny lozam-piarakodia tao amin’ ny lalam-pirenena faha-34 (RN34), mampitohy an’Antsirabe sy Malaimbandy, afakomaly maraina. Nivadika tampoka teny an-dalana ny fiara nitondra azy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Namahora, Morondava, avokoa ireo naratra. Ankoatra io, namoizana ain’olona koa ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny RN6, hiditra ny tanàn’ Antsohihy, afakomaly maraina. Taksiborosy hihazo an’ Antsiranana, nitondra mpandeha am-polony tra-doza. Naratra ireo mpandeha miisa 17, araka ny angom-baovao. Tsy tana ny ain’ny mpampivelona iray. Nanoloana io tranga io, nitsidika ireo niharam-boina teny anivon’ny hopitaly ao Antsohihy ny iraka manokana avy eo anivon’ny fitondrana Fanavaozana. Nitady vahaolana hampiakarana ireo teto Antananarivo ny fitondram-panjakana. Efa manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, araka izany, ireo olona rehetra naratra nandritra ity lozam-piarakodia ity.
Tsiferana R.





