Fito lahy mivondrona anaty tambajotra mivelona amin’ny halatra moto nosamborin’ny zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty, ny alahady 11 oktobra lasa teo. Niainga tamin’ny fahatraran’ny fokonolona ny jiolahy roa lahy nangalatra moto teny Talatamaty ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Tratra teo am-panosehana moto halatra ireo roa lahy, ny zoma 9 oktobra tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Tafaporitsaka ny iray raha toa ka voasambotra ny namany. Natao famotorana io olon-dratsy io. Nitoroka ireo mpiray tsikombakomba aminy rehetra izy. Niroso tamin’ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny ny lehilahy iray mpandray moto halatra, ny sabotsy 10 oktobra. « Miaraka mivoaka vao maraina, mihodinkodina mitady moto alaina izahay roa lahy », hoy ity voasambotra ity. Voasambotra ny alin’ny sabotsy io ihany ny roa hafa izay mpiara-mangalatra moto. Nanantena handray moto halatra maromaro ny mpandoa vola sy atidoha amin’ny fangalarana, ny marain’ny alahady 11 oktobra teo. Voafandrika io voalaza ho mpampiasa an’ireo mpangalatra io ka noraisim-potsiny teny 67Ha. Tafakatra fito ny isan’ireo olona niray petsapetsa tamin’ity halatra moto tao Talatamaty ity. Mpitandro filaminana am-perinasa ny iray tamin’izy ireo. Nentina natao famotorana izy ireo ary natolotra ny fampanoavana. Notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.





