Namono mpivady tetsy Antehiroka: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Nosamborin’ny polisy miasa ao Toamasina, omaly, ilay lehilahy voatondro ho namono nahafaty ilay lehilahy frantsay sy ny vadiny. Tao­rian’ny tranga vono olona niseho tao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Antehi­roka, ny sabotsy 10 oktobra lasa teo, nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao marim-pototra izy ireo fa nandositra any Toamasina ilay lehilahy izay karohina fatratra. Niroso tamin’ny fi­samborana avy hatrany an’io lehilahy io ny ekipan’ny Kao­misera Velotsara Patrick izay miasa ao an-toerana. Sarona teny amin’ity olon-dratsy ity ny antsy ahina ho nampiasainy tamin’ny vono olona. Nahitana dian-dra tamin’ny antsy teny aminy. Raha hatsidika, olona efa mpifanerasera tamin’ilay teratany frantsay sy ny vadiny ity lehilahy ity. Mpividy ireo entana tonta izy ary mivarotra izany teny amin’ny tsenan’ Isotry. Nivadihany ireo mpivady ka novonoiny tao an-trano ary nofatorany ny zanak’ireo lasibatra. Nokorontaniny ny trano ary mpikarakara zaridaina avy nanasa fiara notifiriny basy. Tsy voa ity farany izay nahay nandositra. Tavela tao anatin’ny trano ny karapanondro sy ny taratasy fahazoan-dalana hamily an’ilay lehilahy nahavanon-doza. Notazomina atao fanadihadiana ity farany taorian’ny fisamborana azy tao Toamasina, omaly. Andra­sana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: