Sokatra 152 tratra tetsy 67 Ha: Mpandraharahan’ny fonja naiditra am-ponja

Nentina teny anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha ny raharaha mahakasika ilay fahatrarana sokatra miisa 152 teny 67 Ha, ny 30 marsa 2026 lasa teo. Taorian’ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana ireo voarohirohy tamin’izany, naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly 13 okotobra 2026, ny vehivavy iray, mpandraharahan’ny fonja, izay tompon’antoka tamin’ny fanamorana ny fifandraisan’ireo voafonja voarohirohy tamin’ny trafika sy ireo olona ao anatin’ny tambajotra mbola eny ivelan’ny fonja.
Tsiahivina fa vehivavy iray nisandoka ho polisy no voasambotra voalohany tamin’io raharaha io, ny 10 avrily 2026, iray volana taorian’ny tranga. Lohandohan’ny tambajotra mpanao trafika sokatra eto Madagasikara izy io. Fantatra nandritra ny fanadihadiana azy fa nisy mpitandro filaminana, mpiasam-panjakana ary olom-pirenena malagasy sy vahiny hafa tafiditra ao anatin’io tambajotra fanondranana sokatra antsokosoko io. Nandritra izany no nahafahana nisambotra ilay vehivavy mpandraharahan’ny fonja, izay naiditra am-ponja vonjimaika ity. Manamafy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy fa tsy milefitra amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana antsokosoko ny harena voajanahary.

Mino

Partager sur: