Antanandrano : Roa lahy tratra nivarotra rongony

Nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ny roa lahy mpivarotra rongony ikoizana eny amin’ny fokontany Anta­nandrano, afakomaly. Mano­loana ny laza ratsy hananan’io toerana io, amin’ny fisiana mpivarotra rongony, izay antsoin’ny tanora hoe daboka, nidina ifotony ny mpitandro filaminana izay notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra miasa ao Ankadikely. Nofandrihana ireo mpivarotra ilay karazan-java-mahadomelina. Sarona ny lehilahy miisa roa. Naha­trarana rongony efa voatsinjara tamin’ny fonosona 114 isa teny amin’ireto farany. Amidin’ izy ireo amin’ny sandany 1 000 Ar ny iray amin’ny fonosana. Mitotaly 1 kg ny rongony tra-tehaka teny amin’izy roa lahy. Nasitrika tao ambany ravin-kazo ny entana. No­giaza­na ireo zava-mahadomelina ary nentina natao fa­motorana izy roa lahy. Hatolo­tra ny fampanoavana aorian’izay. Tsiahi­vina fa tafaroboka amin’ny fidorohana ireo karana rongony miparitaka manerana ny Nosy ny tanora. Ma­tetika, mi­teraka fahasimbana eo amin’ny fahasalaman’ny saina ho an’ny tsy mahazaka izany. Etsy ankilany,lasa mi­ankindo­ha tanteraka kanefa tsy ma­nam-bola hanefana ny vidiny izy ireny. Manaotao foana toy ny mangalatra sy manendaka ireto farany avy eo.

Tsiferana R.

Partager sur: