Nanamarika ny tsingerin-taona voalohany niverenan’ny fifandraisana ara-diplaomatika sy fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia ny antoko Reveil patriotique de Madagasikara uni – RPMU, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta.
Nandiso ny fijery ivelany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotonirina Richard, fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa. « Tsy ara-miaramila ihany fa eo koa ireo laharam-pahamehana, toy ny fampandrosoana sy ny toekarena ary ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Eo koa ny fiaraha-miombona antoka », hoy izy. Notsindriny fa tsy mijanona eo amin’i Rosia fotsiny ihany izany. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Brics, efa lasa lavitra amin’ny resaka toekarena. Manantena ny RPMU fa mijery ireo firenena iarahana miasa ny fitondrana mba hahazoantsika tombontsoa. Anisan’izany ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy i Afrika tsy ho ela ka hanaovan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, lahateny momba izany. Nanterin’ny RPMU fa tsy manavaka amin’ny fiaraha-miasa ahazoana tombontsoa izao fitondrana izao. Niantsoan’izy ireo ny fijoroan’ny rehetra ho sahy hanapaka ny tadim-poitra amin’ny mpanjanaka miseho amin’ny endrika ankolaka izany.
Sazy avy amin’ny tandrefana
Notsiahiviny fa andro lehibe sy manan-tantara ho an’ny firenena ny 15 oktobra nijoroan’ny ARM (RPMU amin’izao fotoana izao). Nisy fiantraikany teto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany satria fotoana niakaran’izy ireo teny amin’ny Toby Capsat ary nanohanana ny Kly Randrianirina Michaël, sy ireo miaramila ka nahazoana ny fahefana. «Tsy tratran’ny ankivy isika satria teo koa ny fijoroan’ny Rosianina nanafoana ireo mety ho sakana sy sazy avy amin’ireo firenena tandrefana», hoy izy. Nambarany fa tsy azo fafana amin’ny tantara izany fandraisan’anjaran’ny RPMU izany sy ny fijoroany niaraka tamin’ny Capsat. Nanao tohivakana izany avy amin’ny nanafoanan’i Rosia ny trosantsika, 79 tapitrisa dolara, sy ny fiarovana na fiambenana ny filoham-panjakana.
Synèse R.





