Devizy : Tafakatra 5 021 Ariary indray ny euro

Nihoatra ny 5 000 Ariary indray ny sandan’ny euro eo amin’ny Tsena ifanakalozana vola vahiny (Mid). Nahatratra 5 021,49 Ariary ny tahan’ny fifanakalozana ofisialy, omaly alakamisy 15 oktobra 2026, araka ny hita ao amin’ny tranonkalan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Etsy ankilany, misanda 4 551,00 Ariary ny dolara amerikanina. Hita fa nahazo lanja hatrany ny euro tao anatin’ny iray volana. Nahatratra 4 946,17 Ariary izany, ny 6 oktobra. Niakatra ho 4 977,63 Ariary izany, ny 9 oktobra, ary 4 985,20 Ariary ny 12 oktobra. Mifanohitra amin’ny fironana nandritra ny tapany voalohan’ny taona ny fiakarana. Mbola nihoatra ny 5 200 Ariary ny euro tamin’ny desambra 2025. Nahatratra 5 309,78 Ariary ny sandany ambony indrindra ny 6 janoary 2026. Nidina ambanin’ny 5 000 Ariary indray izany ny 23 febroary, ka nahatratra 4 993,76 Ariary. Tsy nisy taha ambany toy izany nanomboka tamin’ny avrily 2025. Nitohy ny fidinana nandritra ny telovolana faharoa. Nahatratra 4 803,46 Ariary ny euro ny 6 marsa. Nifarana tamin’ny 4 810,95 Ariary kosa ny volana jona. Nandritra ny enim-bolana voalohany, niakatra manodidina ny 7 % ny sandan’ny Ariary raha oharina amin’ny dolara. Nihena efa ho 6 % ny sandan’ny euro, raha oharina amin’ny fiandohan’ny taona. Niakatra manodidina ny 4 % izany raha oharina amin’ny faran’ny volana jona.

Henintsoa

Partager sur: