Manakambahiny : Lehilahy hita faty nihohoka tao anaty tatatra

Hita faty tao anaty tatatra tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambany Atsimo, fokontany Manakambahiny, disitrikan’ Anjozorobe, omaly maraina tamin’ny 10 ora latsaka fahatelony, i Baby, lehilahy 36 taona. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita azy efa nihohoka tao anaty rano ka nampandre ny tomponandraikitry ny fokontany. Ity farany no nampilaza ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Masakalina avy eo. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny mpitsabo avy amin’ny hopitaly Amborompotsy.
Hita nihohoka tao anaty tatatra ilay lehilahy izay efa tsy nisy aina intsony. Tsy nanao pataloha ihany koa ity farany. Na­hitana mangana ny vatany, izay heverina fa vokatry ny vatany nilona rano ela, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Tsy nahitana ratra hafa ny vatany iray manontolo. Ankoatra izay, nahenoana fofon-toaka ity olona maty ity rehefa nozahan’ny mpitsabo.

Namonjy famadihana
Araka ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary tamin’ny tomponandraikitra any an-toerana, namonjy famadihana teny ambany atsinanan’Amborompotsy i Baby, afakomaly (iray andro talohan’ny nahitana ny vatana mangatsiakany). Mbola salama tsara izy, saingy gaga ny olona nahita azy ho efa maty. Mety ho tsy nahatsiaro tena noho ny fisotroana toaka rahateo izy ka izao maty izao, raha ny angom-baovao hatrany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fanadihadiana sy ny fizahana nataon’ireo manam-pahefana. Efa misokatra ny fanadihadiana izay iandraketan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe.

Mino

Partager sur: