Namontana-Anosibe : Mpanendaka 19 lahy voasambotry ny UIR

Saron’ny polisy teo am-pidorohana sy teo am-pamarotana zava-mahadomelina ny andian-dehilahy am-polony tao amin’ny fokontany Na­mon­tana, omaly. Naharay loha­ranom-baovao marim-pototra ny polisin’ny UIR fa misy lehilahy maromaro mi­vorivory anatin’ny toerana somary malomaloka ao amin’io fokontany io. Nidina ifotony nanao fisafoana teny ny polisy. Nanatanteraka paikady manokana tsy ahafahan’ireo ahina ho mpiray petsapetsa amin’ity tranga ity izy ireo. Vokany, voasambotra ny lehilahy miisa 19. Tsy nisy afa-nandositra tanaty elakelan-trano ireto farany noho ny hakingan’ny polisin’ny UIR izay nanao ny fisamborana. Nahatrarana rongony efa voa­tsinjara tamin’ny fonosana mitotaly 142 teny amin’ireo lehilahy ireo.
Manao asa ratsy toy ny fanendahana sy fanafihana ireto olon-dratsy ireto rehefa maizina ny andro, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ ny mpitandro filaminana. Nan­dri­tra ny fisavana azy ireo, mam­piasa fitaovam-pifandraisan-davitra toy ny Twalki-Walki izy ireo ahafahana mifanome vao­­vao anatin’ny se­gon­dra vitsy monja. Ny mpi­am­bina manokana izay mitily eny ivelan’ny tanàna no mampiasa an’io fitaovana io. Mam­pilaza mialoha ireo namany izay any anatin’ny trano izy raha toa ka misy ny polisy mihaodihaody eny an-toerana. Nentina natao famotorana avokoa ireo voasambotra. Marihina fa mateti-pitranga ny asan-jiolahy sy fanafihana teny amin’iny faritra Anosibe sy Namontana iny tato ho ato. Manohy ny famongorana azy ireny ny ekipan’ny polisy eny an-kianja.

Tsiferana R.

Partager sur: