FANTINA sy FINTINA

Mitsipaka ny dinika politika ny HVM sy ny MMM. « Tsy fotoana hanaovana kajikajy itadiavana seza na paikady amin’ny fifanarahana politika intsony izao », hoy ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nambaran’ny birao politikan’ny MMM, Ratavilahy Andry kosa fa natao hikendrena seza na fiaraha-mitantana izany ka tsy mety amin’izy ireo.
Mitohy ny fanomezan’ny birao politika Tim toromarika eny ifotony. Anisan’ny nanatanterahana izany ny tany amin’ny faritra Diana sy ny any Sava. Nohazavaina tamin’ireo mpikambana ny fotokevitra ijoroan’ny antoko manoloana ny fikaonandoham-pirenena sy ny maha zava-dehibe ny fidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Manohana ny fiovana entin’ny fanjakana Fa­na­vaozana ny Hetsika Pro Ravalomanana (HPR), araka ny fivoriana nataon’izy ireo tetsy Bel Air, ny asabotsy teo. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy miara-dia amin’ireo olom-boafidy lany tamin’ny tsy ara-dalàna sy miovaova loko ary ireo mpanohitra izy ireo. « Handray anjara amin’ny fikaonandoha izahay », hoy izy ireo.
Hanomboka rahampitso ny fivoriana ara-potoana faharoa ho an’ny Antenimiera. Handinika ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2027 ireo depiote amin’izany. Miely koa anefa ny feo fa mety ho tonga amin’ny fandravana ny birao maharitra izany, manoloana ny fiovan’ireo depiote Irmar loko (VFM), eny amin’ity Andrim­panjakana ity.

Partager sur: