Namoaka hafatra ny Vaomieran’ny fahamarinana sy fiadanana na Justice et Paix eo anivon’ny fivondronamben’ny Eveka, ny herinandro teo. Nidera ny ezaka vitan’ny fitondrana izy ireo nefa koa tsy nitsitsy amin’ny lafin-javatra hafa. « Mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana… Mandry an-driran’antsy hatrany ny vahoaka », hoy izy ireo. Eo amin’ny lafiny toekarena, momba ny harena an-kibon’ny tany sy an-tanety ary an-dranomasina, lasa tompony mangatak’atiny ny vahoaka. Tsy misitraka izany na ny isam-batan’olona na ireo rantsamangaikan’ny fitsinjaram-pahefana. Ny vahiny no mahazo tombontsoa mihoapampana amin’ireo harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina, araka ny fanambarana.
Nohitsin’nyJustice et Paix koa fa manomana olona ho vesatry ny fiaraha-monina ny fanabeazana. « Mihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana. Misavorovoro ny sain’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpianatra amin’ny fanatanterahana ny fanovana an-kamehana ny fandaharam-pianarana », hoy izy ireo.
Tsy voafehy ny tambajotran-tserasera ka lasa fandranitana sy fanelezana tsaho eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy voafehy ireo sary sy hevitra mamoafady. Misy manodina ireo fanapahan-kevitry ny manam-pahefana ka mampiroaroa ny saina, araka ny fanambarana.
Ankoatra izany, nahavelom-panantenana azy ireo ny filazana fa tsy handefitra amin’ ny kolikoly ny mpitondra. « Tsy hita ny tena vokatr’ireny fanambarana ireny sy ny fanadihadiana mifanaraka amin’ izany hatramin’izao… Mbola tsy foana ny kolikoly eo amin’ ny sehatra rehetra ary mbola miriaria any ny tsimatimanota », hoy izy ireo.
Na izany aza, niaiky ny Justice et Paix fa nisy ny dingana vita. Eo ny fanamboaran-dalana hita amin’ireo lalam-pirenena maro samihafa, ny fihenan’ny fahatapahan-jiro amin’ny toerana maro ary koa ny fanatsarana ny famatsian-drano…
Synèse R.





