TARATRY ny KANTO

Notanterahina tao amin’ny Maison Russe eto Madagasikara, ny sabotsy lasa teo, ny Festival iraisam-pirenena andiany faha-4 momba ny kolontsaina rosianina « Khorovod de l’amitié ». Hetsika nampivondrona ireo mpankafy ny teny sy ny kolon­tsaina rosianina, izay niarahana tamin’ny fanohanan’ny Maison Russe. Mpampia­natra avy ao amin’ny Ivontoerana momba ny siansa maha olona ao amin’ny Oniversi­tem-panjakana ao Shadrinsk, any Rosia, no nikarakara ny hetsika.

Fahombiazana ny antsam-paribolana Miako, notontosaina teny amin’ny CGM Analakely, ny sabotsy lasa teo. To­non­kalo mifamaly sy miavaka maro no nifandimby nanakoako. Nanentana ny mpijery tamin’ny fahaiza-manaony ihany koa ry Le Mahenina sy Mama Tagany. Ho avy tsy ho ela ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny Faribolana Sandratra.

Nafana ny fampisehoana niara­hana tamin’ny tarika Rossy, teny amin’ny Parvis Analakely,omaly. Tonga marobe ireo mpankafy sy mpijery izay niara-niaina indray ny kanto tsy lefy lazan’izany tarika izany. Tsiahivina fa tafiditra anatin’ny he­tsika karakarain’ny BGFI Bank ho fampahafantarana ny « Gasy Money » ity fampisehoana ity.

Notanterahina tany Betafo, ny fa­ran’ny herinandro teo, ny hetsika ara-kolontsaina “Diavolan’Andratsay”. Fampa­hafan­tarana ny tantara sy ny hasin’ny Rova ary ny soatoavina tandrovana no natao nandritra izany, ka naseho tao anatin’ny “Rova mitety vohitra”, ny Rova ao Ambohimanga, amin’ny maha harembakoka iraisan’izao tontolo izao azy.

Partager sur: