Mpanakanto, mpihira anisan’ny fakan-tahaka ho an’ny maro. Lalatiana, manana izay heveriny fa anjara biriky ho an’ny ankizy sy ny tanora. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany.
Fampisehoana naharitra ora telo. Nanasongadina ny dian’i Lalatiana tao anatin’ny mozika nandritra ny 50 taona mahery… Nikendreny manokana ihany koa ny hanehoana sy hanatanterahina ny eritreriny nandritra io fotoana lava io. « Marobe ny ankizy amin’izao no tsy mahafantatra… Izaho manana eritreritra manoloana izay. Mila mampita, mila mampahafantatra, mila mitaiza an-dry zareo ny hoe, tahaka ny inona ny fivoaran’ny mozika hatramin’izay nanaovako izany ka hatramin’ izao », hoy i Lalatiana.
Notanterahiny, omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina izany. Anisan’ny tsapa nandritra ity seho ity mantsy ny nanasongadinany ny dia lavitra notanterahiny tao anatin’ny mozika. Noteteziny ireo hira nahafantarana azy tany amin’ny taona 1986 – 1987, toy ny « Ho an’iza ny masoandro?», narahin’ny « Imaitsoanala » izay nokaloiny tany amin’ny faha-10ny taonany, sns. Nohirainy ihany koa ireo hira anisan’ny tsy ahafoizan’ ny mpitia zavakanto azy tahaka ny « Lasalasa ambiroa », « Avelao any », « Misy antony »… Tafiditra tao anatin’ny fandaharan-kira ihany koa ny « Tsy anjarako ianao » izay nandrasan’ny mpijery marobe tokoa nandritra ity fampisehoana ity. Hira izay nahatety vanim-potoana sady nosalorana fandrindrana vaovao hatrany.
… Anisan’ny mitondra fivelarana lehibe ao amin’ny tontolon’ny zavakanto ataon’i Lalatiana ny fitiavany mihaino hira marobe maneran-tany. Mampiavaka azy ihany koa ny fampahatsiahivana eo anatrehan’ny tontolon’ny zavakanto (mpanakanto, mpitia ny kanto, ny mpikirakira ny kanto…) fa: « amiko ny kanto tsy isa fa iainana ».
HaRy Razafindrakoto





