Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fandravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy. Jiolahy raindahiny iray no maty voatifitr’izy ireo, ny sabotsy 17 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Raha ny fanazavana voaray, Lehilahy maromaro no tratra teo am-pamakiana trano teny akaikin’ny EPP Sahavola, any Fenoarivo Atsinanana. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Voatifitra nandritra ny fifanandrinana ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Fantatra fa jiolahy raindahiny sy tena ikoizana amin’ny resaka vaky trano ity lavo ity, raha ny fanazavana voaray.
Ankoatra izay, tambajotran-jiolahy mpamaky trano sy mpangalatra moto no ravan’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka Fenoarivo Atsinanana, ny 15 sy 17 oktobra teo. Miisa efatra izy ireo no tratra ambodiomby namaky trano. Sarona taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy taorian’ireo vaky trano sy fanafihana matetika niseho tao an-toerana izy ireo. Mpangalatra moto iray hafa koa voasambotra rehefa nokarohina nandritra ny fotoana maro. Entanina hatrany ny rehetra mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ho fitandroana ny filaminam-bahoaka.
Mino





