Echecs – «Mondiaux Jeunes» : Nahavita dingana tsara i Jude Fortun

Ao anatin’ireo miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny lalaon-tsaina Echecs, sokajy zandriny, i Madagasikara. Eo ho eo ny vokatra, saingy misongadina ny zava-bitan’i Jude Fortun, eo amin’ny “Open U11”. Nandresy mpilalao espaniola roa izy ary manana vokatra tsara.

Mitohy hatrany ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja lalaon-tsaina “Echec”, ho an’ny sokajy zandriny. Fiha­onana tanterahina ao amin’ny efitrano Roquetas de Mar, Espagne. Manana solontena amin’izany ny Malagasy, izay miisa 8 mianadahy. Nahavita dingana tsara teo amin’ny «Open» sokajy U11, i Jude Fortun. Nandritra ireo fihodinana valo efa tontosa, izay natao tamin’ny “Système suisse”, nahazo fandresena telo izy, faharesena telo ary ady sahala roa. Anisan’izany ny nandavoany ilay espaniola, i Martinez Salmeron Daniel, tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny “round 2”. Teo koa ny nanilihany ilay Libaney, i Kaafarani Majd, tamin’ny isa 1 no ho 0 ihany koa ary ilay espaniola, i Jimenez Bazhin Alexander nandritra ny “round” fahafito. Izy aloha, ha­treto, no hany manana vokatra misongadina.
Ankoatra izay, eo ho eo daholo. Raha ho an’ny U17, vehivavy, misy an’i Tafita Tsiaro. Faharesena dimy sy ady sahala iray ary fandresena iray no azony. Ho an’ny i Mika indray eo amin’ny U15, resy inefatra izy ary nanao ady sahala telo sy fandresena tokana. Teo amin’ny U11, tsy nanana fandresena i Melody Grace. Ady sahala iray sy faharesena enina. Ho an’ny “Open” U15, faharesena enina ihany koa sy fandresena iray ihany ny an’i Manjaka. “Open” U13, ady sahala iray sy fandresena iray ary faharesena dimy ny vokatra azon’An­drianina. Ny U9, faharesena enina sy fandresena roa ho an’i Nehemiah. Ary ny “Open” U7, fandresena roa sy faharesena dimy ny an’i Tsiory. Tsiahivina fa sokajy telo amin’ireo 11 hifaninanana amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity no tsy ananan’ny Malagasy mpifaninana, dia ny U13 sy ny U9 ary “Open” U17.

Tompondaka

Partager sur: