Nilatsaka ny sazy ho an’ny depioten’i Mahajanga, teo aloha, Rahantanirina Nina. Migadra dimy taona an-tranomaizina izy sy ny zanany iray, araka ny didim-pitsarana nivoaka, omaly. Anisan’ny vesatra iampangana azy ny raharaha fitrandrahana tsy ara-dalàna harena an-kibon’ny tany sy ny fampiasana fitaovana efa nogiazana.
Afaka mikarakara pasipaoro, tsy voatery ho eto Antananarivo intsony, ireo any amin’ny faritra. Azon’ny olom-pirenena atao ny manatona ny sampandraharaha misahana ny fangatahana pasipaoro malagasy isaky ny renivohi-paritany. Azo fenoina ao amin’ny tranokala ofisialy kosa ny fangatahana ho fanamorana ny dingana rehetra.
Miantso ny mpitondra handray fepetra ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine, manoloana ny « Raharaha famoahana am-ponja ireo sinoa ». « Tokony hoesorina amin’ny toerany ireo voasaringotra amin’izany na kolikoly na nisy baiko na tsia avy amin’ny tomponandraikitra », hoy izy.
Tsy manaiky ny fampanantenana tsy misy vokany ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Nambarany teny Ankatso, omaly, fa zava-bita azo refesina no takin’ny vahoaka. « Ny tanora no hatao foibe amin’ity fanavaozana ity mba hanorenana Repoblika matanjaka, rariny, ary miray hina », hoy izy.





