Avaratra atsinanan’ny Nosy : Nivadika ho rivodoza Agueda  ilay tangoron-drahona

Mivoatra tsikelikely. Nambaran’ny eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro (Meteo), omaly, fa lasa rivodoza ilay tangoron-drahona ary efa nomena anarana.

Lasa rivodoza ary nomena ny anarana Agueda ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’ny Nosy, omaly. Tany amin’ny mano­didina ny 946 km avaratra somary avaratra atsinanan’ Antsira­nana no nisy ny foi­beny, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro.
Mahatratra 75 km/ora ny rivotra miaraka aminy ary arahina tafiotra 105 km/ora izany any amin’ny manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianandrefana somary atsimo andrefana izy io ka nahafaka 11 km/ora.
Mbola hanohy ny diany hianandrefana hatrany ao anatin’ny telo andro manaraka. « Tsy hisy fiantraikany mi­van­t­ana amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Mada­gasikara ny fisian’ity rivodoza ity », hoy ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro (Meteo). Noha­mafisin’izy ireo fa tsy misy ny filazana loza momba ity rivodoza ity. Nanen­tana ny mpampiasa ranomasina any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa ry zareo mba hanaraka tsy tapaka ny vaovaon’ny toetry ny andro.

Handrahona mitsitokotoko
Etsy andaniny, namoaka ny tomban’ny toetry ny andro, ho an’ny anio koa ny Meteo. Handrahona vitsy na hibaliaka ny masoandro any Sofia, Boeny, Menabe, Atsimo An­dre­­fana ary Androy, ny maraina. Handrahona mitsitokotoko kosa ny any amin’ny faritra sisa.
Hanorana tandrifin-drahona mitsitokotoko any amin’ny afovoantany, ny tapany atsimon’ ny faritra Alaotra Man­goro, ny atitanin’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsi­nanana, ny tolakandro. Han­drahona ny andro any Diana, Sofia ary Ambatosoa. Hifan­dimby ny rahona sy ny masoa­ndro any amin’ny faritra sisa.

Synèse R.

Partager sur: