Jirama : Hosaziana ny tompon’antoka amin’ny fanakorontanana

Anisan’ny nosinganin’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), omaly, ny tokony hanaovana fanadihadiana ao anivon’ny Jirama. « Hosaziana ireo tompon’antoka amin’ny fanakorontanana », hoy kosa ny Praiminisitra.

Navoitran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandritra ny lahateniny, omaly, teny Tsimbazaza, fa anisan’ny misy manakorontana sy manapotika ny ezaka ataon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Maro ny gropy mamokatra herinaratra novidian’ny fanjakana, hamahana ny olan’ny delestazy. Misy fotoana ahitana fitsa­harana ary voavaha mihitsy ny fahatapahan-jiro. Kanefa, afaka 10 andro monja dia miverina indray ny delestazy. Koa, inona marina no mitranga ao amin’ny Jirama, nahoana no tsy maharitra ny vahaolana napetraka? Satria mipetraka ny ahiahy fa mety misy ny manao fanahy iniana, misompatra sy manakana ny hamahana ny olana. Tsy tokony ho ny vahoaka no hizaka ny tsy fahaiza-mitantana, tsy mila fampanantenana intsony ny vahoaka fa mila jiro mandeha, rano mandeha, ary lalana azo andehanana tsara. Izany no tena fanavaozana andra­san’­ ny vahoaka.
Naneho hevitra mahaka­sika izany avy hatrany, ny praiminisitra Rajaonarison Mami­tiana, omaly, fa « efa misy ny fanadihadiana atao. Tena misy ny ahiahy hoe misy misompatra ao. Andrasana ny vokatra, ahafahana manasazy izay tompon’andraikitra ».

Maharitra enim-bolana?

Tsiahivina fa vao nanao fanadihadiana parlemantera mahakasika ny Jirama ny ao anivon’ny Antenimieram­pire­nena, ny volana jolay 2026 teo. Anisan’izany ny fijerena ireo fifanarahana samihafa nataon’ny Jirama tamin’ireo mpandraharaha tsy miankina. Raha ny fanazavana nomen’ ny filohan’ny vaomiera mpanadihady, Rakotoniaina Pety, ho fantarina ny zavatra tsy mirindra, ny fitantanana ana­tiny ao amin’ny Jirama. Tsy ho vita vetivety anefa izany fa ho ao anatin’ny volana maro, mety hatramin’ny enim-bolana, raha ny voalazan’ny lalàna. Izany hoe, ho amin’ny janoary 2027 ve?
Etsy ankilany, misy koa ireo olon-dratsy minia mangalatra ny taribin-jiron’ny Jirama, toy ny any amin’ny faritra Itasy. Eo koa ny halatra ga­zoala ao anatiny, toy ny nitranga tany Antsiranana, vao tamin’ity herinandro ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: