Nanolana sady nandroba: Tratra ireo roa lahy nahavanon-doza

Voasambotry ny polisy ireo roa lahy nanolana sady nandroba vehivavy tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Tratra hariva tamin’io toerana tsy mahazatra azy io ny olona mpivahiny. Nangataka tamin’izy roa lahy mba hanoro ny lalana tokony halehany ilay mpivahiny. Nanararaotra avy hatrany ireto olon-dratsy. Nentiny tamin’ny toerana mangingina sy maizina ilay olona nangataka fanampiana. Noteren’izy ireo hanome ny finday sy ny vola teny aminy ny lasibatra. Tsy vitan’io, noteren’izy ireo hanaiky hanao­vana ny filan-dratsiny ilay vehivavy tsy ampy taona. Nanao tari-dositra izy roa lahy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny niharan’ny fanolanana sy fandrobana. Nitoroka teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy miasa ao Alasora izy. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy. Voasambotra teny Ambodinisotry Andranomanalina ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ity tranga ity. Notazomina atao fanadihadiana izy roa lahy alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoa­vana.

Tsiferana R.

Partager sur: