Sarona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny vato sarobidy miisa 117, nokasaina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Teratany sinoa iray no tratra nitondra ireo. Mitaky ny hanovana ny ekipa manao kolikoly ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
Mitohy ny fahatrarana harena sarobidy kasaina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Omaly, vato sarobidy manodidina ny 117 isa no sarona teny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Ivato. Tratra nitondra ireo vato sarobidy ireo ny teratany sinoa iray. Raha ny fanazavana nataony hatrany, mpiasan’ny Agence national anti-fraude (Anaf) no voalaza fa nahatratra ilay teratany sinoa sy ireo harena sarobidy nokasaina haondrana. Efa misokatra, araka izany, ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, mahatratra 100 taonina isan-taona ny volamena miainga eto Madagasikara mankany Dubaï, raha ny nambaran’ny filohan’ ny Fanavaozana ny Repoblika hatrany.
Ovay ny ekipa
Misy ny fanaovana kolikoly amin’ny famoahana ny volamena sy ny vato ary ny harena sarobidy eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Manoloana izany, miantso ny hanovana ireo ekipa eny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. “Ovay ny ekipa ety, ny Douane, Paf, Bianco”, hoy izy. Aza iandrasana ela. « Esory ny tompon’andraikitra rehefa tratra amin’ny resaka kolikoly ankoatra izay nahavita nanatratra ny vato sarobidy», hoy ihany izy. Nambarany fa matoa mbola misy volamena sy vato ary harena sarobidy tafavoaka, tsy misy miady amin’ny kolikoly. “Tsy misy irika fanararaotra tahaka izao intsony hanovana an’i Madagasikara, satria ny filoha mihitsy no tsy tia kolikoly”, hoy kosa ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta, Rajaonarisoa Mamitiana. Nambarany fa natomboka omaly hariva
ny fanatanterahana ny baiko avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana.
Mino





