Tetikasa Folur : Endri-tany 86 000 ha hatsaraina

Miompana amin’ny fiarovana ny nofon-tany sy ny sahandriaka ny tetikasa Folur (Food System-Land Use-Restora­tion). Nanomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2029 ny tetikasa, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN), Ramatoa Ratovonirina Hasina, fa tanjona ny fampiasana ny endri-tany hanatsarana ny tontolo ambanivohitra. Ao anatin’izany ny hametrahana rafitra ara-tsakafo sy rafi-pambolena maharitra sy afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Manodidina ny 30 000 isa ny tantsaha mpamboly vary sy kafe hotohanana. Mahatratra 86 000 ha ny velarantany hatsaraina ary 10 000 ha ny ala harenina. Miisa 12 ny karazana kafe ho arovana sy ampiroboroboana. Faritra efatra no voakasiky ny tetikasa Folur dia ny any Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Haharitra hatramin’ny taona 2029 ity tetikasa ity.
Hampiasaina ny masomboly voafantina sy ny teknikam-pambolena, hanatsarana ny endri-tany sy ny rohivoahary ao aminy. Tohanana manokana ny vehivavy sy ny tanora. Eo am-pamolavolana, ankehitriny, ny drafi-panajariana ny endrin-tany. Hatolotra ny faritra tsirairay avy eo, hamantarana ny toerana azo hajariana isan-toerana.

Njaka A.

Partager sur: