VAOVAO TAMBATRA

Hotokanana ny zoma 23 oktobra 2026 ny masoivohon’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) faha-11, any Sambava, faritra Sava. Tanjona ny hanamora ny fandraharahana sy hanamafy ny fanohanana ireo mpandraharaha any an-toerana. Tetikasa hanatsarana ny fahazoana tolotra sy hanamorana ny dingana ara-pitantanana no hatao.

Hasongadina mandritra ny “vitrine GMI 2026”, ny talenta sy ny indostria malagasy. Hetsika hatao eny amin’ny Kianja Barea. Ho fankalazana ny faha-30 taonan’ny sampam-piofanana momba ny mekanika sy ny indostria (GMI) eny amin’ny ESPA Vontovorona, Oniversiten’Antananarivo izy ity. Tanjona ny hampahafantatra ny fahaiza-manaon’ny mpianatra, ny fanavaozana ara-teknolojia ary ny anjara toeran’ny mekanika sy ny indostria amin’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara.

Nanao jery todika sy nametraka ireo vina momba ny jono makamba ho an’ny taona 2026 ny komity miara-mitantana ao amin’ny Faritra Sofia sy Boeny. Voaresaka tamin’izany ireo paikady hanatsa­rana ny fitantanana maharitra ny sehatra. Marihina fa 60% ny tetibolan’ny taona 2026 momba ny jono makamba no natokana ho an’ny Faritra Sofia, raha toa ka ho an’i Boeny kosa ny 40%.

Partager sur: