Vondrona eoropeanina : Tohanana ny fandraharahana malagasy

Manamafy ny fahaiza-manaon’ny orinasa malagasy sy hanamora ny fidiran’ny vokatra « Made in Madaga­scar » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ ny tetikasa Acte Invest. Nisy ny fihaonana teo amin’ny ma­soivohon’ny Vondrona eoro­peanina eto Madagasi­kara, Roland Kobia sy ny Maison de l’entrepreneuriat (MDE) ary ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FivMpaMa), ny herinandro teo. Nifanakalo hevitra momba ireo tetikasa hanohanana ny Malagasy mpandraharaha sy hampiroboroboana ny fanondranana ny telo tonta. Tanjona ny ha­nampy ireo mpandraharaha hanana ny fahaiza-manao ilaina amin’ny fanondranana sy hampiditra ny vokatra mala­gasy eo amin’ny tsena eoropea­nina, izay ahitana firenena 27.

Mpiara-miombon’antoka

Mitaky  fiaraha-miasa amin’­ny Fanjakana ny fanatanterahana ny tetikasa. Voa­tonona manokana ireo minisitera miandraikitra ny varotra sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana. Ilaina ny fandraisana anjaran’ireo rafitra ireo mba hahazoana vokatra maharitra. Marihina fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ma­nohana ny sehatra tsy mian­kina ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola sy fanohanana ireo tetikasan’ny mpandraharaha.

Henintsoa

Partager sur: