” Ligue des Champions CAF ” : Nifarana ny dian’ny CFFA Andoharanofotsy

Nanao veloma ny fifanintsanana  ny CFFA Andoharano­fotsy, amin’ity fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf”, ity. Mbola resin’ny Young Africans SC, tamin’ny isa 4 no ho 1, ry zareo, omaly, tao amin’ ny kianja Azam Complex Sta­dium Tanzanie, tamin’ity fihaonana miverina ity. Raha fitinina fohy ny lalao, mbola mifanalavitra tanteraka ny lentan’ny klioba malagasy sy ry zareo tanzanianina. Nitarika 1 no ho 0, moa ny Young Africans SC, tao anatin’ny fidirana voalohany. Tsy na­ha­­vita valin’ady, araka izany, ny Ma­lagasy. Efa lavon’ny Young Afri­cans SC, 4 no ho 0, ry zareo ta­min’ny fihaonana voalohany. Tsara ny mampatsiahy fa raha nandresy tamin’ny elanelan’isa dimy na mihaotra teo ny CFFA, vao tafakatra anatin’ny dingan’ny fifanintsanana isam-bondrona. Mihonona amin’ny lelavola, 100 000 dolara na  400 tapitrisa ariary mahery, izany ny CFFA. Ireo klioba tafita anaty vondrona LDC Caf, mahazo lelavola 7 hetsy dolara na 3 miliara Ariary mahery.

Fitia Randria

Partager sur: