Mahoraka araka ny vinavinan’ny manampahaizana manokana momba ny toetry ny andro ny hisian’ny kere misimisy kokoa any Atsimo, amin’ity taona ity. Efa vonona amin’izany anefa i Madagasikara. Porofo ny fitokanana ny fahatongavan’ny rano fisotro madio any an-toerana. Amin’ny toerana tsy mba nahitana izany hatrizay. Tena mahafaka hetaheta tokoa ny rano madio mangatsakatsaka, avoakan’ny paompy.
Zava-dehibe ny fitokanana, mariky ny fahavononana sahady amin’izay hoavy. Ny olona tsara fiomanana, hoy ny ohapitenenana, tsy tapohin-draha. Izay rahateo ny fanavaozana tena andrasana amin’ny Malagasy tsivakivolo. Tsy ho dokotera aorian’ny fahafatesana hatrany. Mahay misoroka mialohan’ny fotoana. Mitondra vahaolana amin’ ny sedra tany aloha ka efa azo ampiharina avy hatrany ho amin’ny ankehitriny.
Tena mikaonty amin’ny maridrefy ho an’ny fahaiza-mitantana rahateo ny mahakasika izay fahaizana mitsinjo lavitra izay. Tsy izy ny an-kitsapatsapa na miaritra dona fahatany. Raha ny olan’ny rano any Atsimo, zava-dehibe ny fahasahiana ankehitriny. Tena mahamenatra ny fisian’ ny tetikasa efa ho 40 taona miady amin’ny kere ihany. Arakaraka ny nitobahan’ny vola no mainka nihanihinana ny tsy fihinany ny mponina tany an-toerana.
Raha tena hanamarika ny fanavaozana tena izy, tokony ho sahy hametraka fepetra amin’ireto milaza azy ho tompon’ny vola sy ny tetikasa ireto. Manahirana ny mifampitsikera lava, saingy ny vokatra tsy misy azo tsapain-tanana. Mahavariana fa ny vondrona na fikambanana izay tokony ho maodely amin’ny etika no ireto mamoan-tsampona ireto ihany. Mamadika ny fahoriam-bahoaka ho fidiram-bola amin’ny tetikasa amina miliara.
Manahirana ny mifampitsikera saingy zava-dehibe ny fahasahiana manontsana. Tsy tokony ho ambakaina intsony ilay mponina any Atsimo!
r.r





