“Tsy ny Ceni no handray fanapahan-kevitra na mamolavola lalàm-pifidianana”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety teny Alarobia, omaly, ny amin’ny hoe mamolavola tolo-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana haroso eny amin’ny Antenimierampirenena izy ireo. Tsy marina ny filazana fa mitady hanapa-kevitra samy irery ny Ceni. Ny fakan-kevitra nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana, mandray anjara sy mitondra fanitsiana ary manampy amin’ny fikarakarana ny Ceni. Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika hatrany no mitarika… Hanao fanambarana tsy ho ela izy ny amin’izay ho fitohizan’ny dingana faharoa amin’ny fakan-kevitra momba ny fifidianana. Ny fikaonandohan’ny hery velona 593 nakan-kevitra no hidinika ny fanapahan-kevitra, fa nanampy ihany ny Ceni.
Taorian’ny nandraisana ny fampitaovana informatika avy amin’ny masoivoho japoney no nilazany izay. Tsy fitaovana tsotsotra ireo fa efa naman’ny indostrialy, araka ny fanazavany. Raha ny fitaovana nananan’ny Ceni teo aloha: nahazaka tahirin-kevitra 15 tapitrisa, ohatra, ny “serveur” nampiasaina, mahazaka iray miliara no azony tahirizina amin’izao. Toy izany koa ny “imprimante”, izay mahavita avo folo heny no ho ny nananan’ny Ceni teo aloha. Mitetina 3,130 miliara Ar mahery ireo fitaovana ireo amin’ny ankapobeny, ao anatin’ny tetikasa Renforcement des processus électoral et démocratique à Madagascar (RPEDEM), iarahana amin’ny Pnud. Midika ny fampitaovana fa manana fitokisana ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Ceni ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany.
R. Nd.





