FANTINA sy FINTINA

Nampahafantatra ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena tamin’ny vahoakan’i Ejeda ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nangatahiny ny mponina mba hitondra ny hetahetany sy ny fangatahany mialoha. «Hanamorana ny fikarakarana sy ny fandinihana izany no antony», hoy izy.
Naneho ny heviny ny eo anivon’ny Filankevitry ny diaspora malagasy. Nambaran’izy ireo fa efa ela no naniry ny hiditra an-tsehatra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo. «Tao anatin’ny 30 taona no efa nangataka ny handray anjara amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara izahay», hoy ny mpikambana, Andriantafika Josephin.
Mitaky ny marina momba ny nahatafaporitsaka ireo sinoa miisa 11 ny eo anivon’ny Transparency international-Initiative Madagascar (TI-MG). Namba­ran’izy ireo fa tokony hanaovana fanadihadiana ara-pitsarana mahaleo tena io raharaha io. «Eo koa ny famotorana ny momba ireo dingana nahatafavoaka azy ireo ny volana aogositra teo», hoy izy ireo.
Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Firenena mikambana (ONU). Natao teny Andraharo izany. Nisolo tena ny filohan’ny Anteni­miera, ny depiote Ralambozafimbololona Andriantsi­voafetra. Nohamafisina ny soatoavina ijoroan’ny ONU, toy ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ary ny zon’olombelona.

Partager sur: