Tsy ampy “kaly”

 

Vita izay ny fihainoana sy fampiakarana ny raharaha nahasaringotra ireo olona rehetra voalaza fa tafiditra tamin’ny raharaha kolikoly, famoahana gadra. Naparitaka tamin’ny fonja maromaro izy ireo. Ankoatra ny lasa nifindra monina any ivelany, mbola misy anarana voatonontonona any, saingy tsy voahenjika, hono. Vita izay ny andraikitry ny fitsarana. Andrasana ny tohiny ara-politika. Anisan’ny raharaha nampalaza ratsy ny fitondrana rahateo izany.
Mizarazara be ny hevitra amin’izao fotoana izao eny anivon’ny fiarahamonina. Misy ny manondro molotra sy miampanga ilay fitondrana ho raindahiny amin’ny raharaha maloto. Maro koa anefa no miaro sy mbola manohana ary manantena ny tena fanavaozana. Andrasana ny tohiny, satria ankoatra ny olona eny amin’ny fonja, mbola maro ny olona ambony, any amin’ny departemanta hafa, no vaosaringotra. Ny sasany aza efa nahazo fandroahana avy hatrany tamin’ny toerana naha tale azy.
Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra amin’ny raharaha toy izao. Tsy azo tsinontsinoavina ny fahasahiana mamaky ady amin’ny tambajotra maloto tahaka izao. Andrasana anefa ny ho fiitaran’ny fakana fanapahan-kevitra tahaka izao, amin’ny departemanta hafa. Iarahana miaina, tsy mila tantaraina ny zava-maro manjo ny vahoaka malagasy noho ny hafitsoky ny mpiasam-panjakana. Lasibatra hatrany ny vahoaka madinika, izay tsy misy mpiaro sy tsy misy misolo vava. Miaritra fotsiny.
Anisan’ny andrasan’ny maro ihany koa ny fanadinana mahakasika ny fidirana ho mpiasam-panjakana maro izay tanterahina ankehitriny. Mba miandry anjara masoandro koa ny manam-pahaizana tsy manam-bola na tsy manana fianakaviana. Betsaka ny tena mahafeno fepetra, manana ny fahaiza-manao takina, saingy voa eo amin’ny indrokely. Matetika ilay tsy fananana “kely”, hoy ny fite­nin’ny mpanao azy, no raraka an-dalana tsy satry… Mampalahelo, maro no lasibatra ka miandry fanavaozana tena izy.

r.r

Partager sur: