Real Men Madagascar : Vehivavy 1 amin’ny 4 iharan’ny herisetra

Sakana ho an’ny fandrosoan’ny fiainan’ny vehivavy ny herisetra mahazo azy. “Eto Madagasikara, vehivavy iray amin’ny efatra no iharan’izany”, hoy Raharimamonjy Harivelo, mpikambana ao amin’ny Real Men Mada­gas­car, ny zoma teo. Fanam­barana nataon’ny fikambanana nandritra ny dinika momba ny fifanarahan’ny Vondrona Afrikanina ho fanafoanana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy (UA-CEV­AWG), teny Antaninarenina. Nifantoka manokana tamin’ny fanovana toe-tsain’ny lehilahy enti-miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy ny lohahevitry ny hetsika. Nison­gadina tao anatin’izay fa anisan’ny mampaharitra ny tranga ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina ny kolontsaina indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana. Mbola tsy ampy ihany koa ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny tranga. Antony mahatonga ny Real Men Madagascar mandrisika ny lehilahy hanana fomba fijery sy toe-tsaina miabo enti-miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Ankilany, nilaza ny mpikambana ao amin’ny Real Men Madagascar, Raharima­na­ntsoa Solange, fa mbola tsy ampy ny famaritana ireo fiovana andrasana amin’ny lehilahy. Tafiditra ao anatin’izay ny andraikitry ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana izany. Eo ihany koa ny fepetra raisina amin’ireo lasibatra.

Henintsoa

Partager sur: