“Fifa World Cup Festival U15”: laharana faharoa ny Barea zandriny

Taorian’ny vokatra tsara azon’ny Barea zandriny, afakomaly, nahita faharesena iray sy fandresena iray indray izy ireo, omaly, tamin’ny andro fahatelo, fifanintsanana maneran-tany baolina kitra, tontosaina any Azerbaidjan.  Laharana faharoa izy ireo.

“Resy, avy eo nan­dresy”! Nahita fa­hombiazana ny ekipam-pirenena Barean’i Mada­ga­sikara zandriny, omaly, tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany “Fifa World Cup Festival U15”, tontosaina any Azerbaïdjan. Resin’ny Vene­zuela tamin’ny isa 1 no ho 0, avy eo nanarina izany lesoka izany ka nandresy an’i So­malie, 2 no ho 1. Lasa laha­rana faharoa izany ny Mala­gasy, raha toa ka voalohany afakomaly. Somary sahirana kely ny Malagasy mpilalao tamin’ny fifanandrinana voalohany.  Tsara marihina fa nitarika 1 no ho 0 ry zareo somalianina. Na­nenjika ny Mala­gasy ary nahita fandresena. Mbola nisongadina tamin’ireo lalao roa ireo i Francisco na i Dembele kely, izay nahasa­hala ny isa tamin’i Somalie. Tsara ny mampahatsiahy fa tao anatin’ny lalao dimy vitan’ izy ireo, nahazo fandresena efatra sy faharesena iray ny Barea zandriny. Mbola tsara ihany koa ny vokatra azon-dry zareo, ny faran’ny herinandro teo. Nandavo an’i Mozambika, 2 no ho 0, nandresy an’i Nou­velle Zelande sy i Porto Rico, tamin’ny isa 4 no ho 3 avy. Mitana ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona “T” ny Barea zandriny. Raha tsy misy ny fiovana,  tafiditra anatin’ny sokajy “B” ireo firenena faharoa rehetra isam-bondrona, ka izay be isa amin’izany no voahosotra ho tompondaka ma­ne­ran-tany amin’ny « Fifa World Cup Festival U15 »,  andiany voalohany, ho an’ny vondrona “B”. Ireo firenena voa­lohany kosa, miaraka amin’ireo efa sangany, ani­san’izany i Brésil, France, Espagne,…. Hifarana ny zoma ho avy izao ity fifaninanana maneran-tany ity.

Fitia Randria

Partager sur: