Fampitam-pahalalana : Miha maivana ny « hasina »

… Taona 2026, mbola maro amin’ny Malagasy no tsy mahafantatra na minia manao tsinontsinona ny « hasina ». Tranga miharihary sy ahenoina resaka maro ny tontolon’ny zavakanto, kolontsaina, fomba amam-panao, ny fitsaboana mifototra amin’ny fahalalana navelan’ny razana, sns. Ifandrombahana ny mianatra mitendry gitara amin’ny sarany 60 000ar ny ora iray. Fa, manahirana ny Malagasy ny manome hasina 50 000ar isam-bolana raha hianatra hitendry valiha. Hamoronan’ny Malagasy ny tsy misy, mihitsy, raha hitsabo ireo aretina heverin’ny siansa fa mafy. Manahirana azy kosa, anefa, ny manolotra na mandoa na mandany vola 100 000ar any amin’ireo mpahay raokandro. Tsy sahaza izany « hasina » izany ve ny fahalalana nolovaina avy amin’ny razana? Very « hasina » ny maha Malagasy?
Mbola mila fanarenana goavana ny fomba fisainana. Hita taratra amin’ny Malagasy hatrany ny fanaovana ankilabao ny an’ny tena sy fanindrahindrana ny an’ny hafa. Na izany aza, mila mendrika ny « hasina » atolotra azy ihany koa ireo
izay mandray izany. Mila fitandremana fatratra mba tsy ho ny tanan’ny mpisoloky no handray « hasina ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: